1. Let as many servants as are under the yoke count their own masters worthy of all honour, that the name of God and his doctrine be not blasphemed.
1. Que tous ceux qui sont sous le joug de la servitude regardent leurs maîtres comme dignes de tout honneur, afin que le nom de Dieu et la doctrine ne soient pas blasphémés.
1. Aoka izay mpanompo rehetra eo ambany zioga hanao ny tompony ho mendrika hohajaina tsara, mba tsy hanaovana blasfemia ny anaran’Andriamanitra sy ny foto-pampianarany.
2. And they that have believing masters, let them not despise them, because they are brethren; but rather do them service, because they are faithful and beloved, partakers of the benefit. These things teach and exhort.
2. "Et que ceux qui ont des fidèles pour maîtres ne les méprisent pas, sous prétexte qu`ils sont frères; mais qu`ils les servent d`autant mieux que ce sont des fidèles et des bien-aimés qui s`attachent à leur faire du bien. Enseigne ces choses et recommande-les."
2. "Ary izay manana tompo mino dia aoka tsy hanao tsinontsinona azy, satria rahalahy izy; fa vao mainka tokony hotompoiny aza izy satria mahatoky sy malala ary mpiombona amin’ny soa. Izany zavatra izany no ampianaro sy ananaro."
3. If any man teach otherwise, and consent not to wholesome words, even the words of our Lord Jesus Christ, and to the doctrine which is according to godliness;
3. Si quelqu`un enseigne de fausses doctrines, et ne s`attache pas aux saines paroles de notre Seigneur Jésus Christ et à la doctrine qui est selon la piété,
3. Raha misy olona manao fampianarana hafa noho izany ka tsy manaiky ny teny tsy misy kilema, dia ny tenin’i Jesosy Kristy Tompontsika, sy ny foto-pampianarana izay mahatonga ny toe-panahy araka an’Andriamanitra,
4. He is proud, knowing nothing, but doting about questions and strifes of words, whereof cometh envy, strife, railings, evil surmisings,
4. il est enflé d`orgueil, il ne sait rien, et il a la maladie des questions oiseuses et des disputes de mots, d`où naissent l`envie, les querelles, les calomnies, les mauvais soupçons,
4. Dia mieboebo foana izy ka tsy mahalala na inona na inona, fa adala amin’ny fiadian-kevitra sy ny fiadian-teny izay mahatonga fialonana, fifandirana, fanaratsiana, fiahiahian-dratsy,
5. Perverse disputings of men of corrupt minds, and destitute of the truth, supposing that gain is godliness: from such withdraw thyself.
5. les vaines discussions d`hommes corrompus d`entendement, privés de la vérité, et croyant que la piété est une source de gain.
5. Fifandirana lalandava fanaon’ny olona vetaveta saina sady efa nialan’ny fahamarinana, ary mihevitra fa fahazoan-tombony ny toe-panahy araka an’Andriamanitra. Mialà amin’ireny olona ireny ianareo.
6. But godliness with contentment is great gain.
6. "C`est, en effet, une grande source de gain que la piété avec le contentement;"
6. Fa misy tombony lehibe tokoa ny toe-panahy araka an’Andriamanitra omban’ny fianinana.
7. For we brought nothing into this world, and it is certain we can carry nothing out.
7. "car nous n`avons rien apporté dans le monde, et il est évident que nous n`en pouvons rien emporter;"
7. Fa tsy nitondra na inona na inona ho amin’izao tontolo izao isika, ary tsy isalasalana fa tsy hahatondra na inona na inona hiala.
8. And having food and raiment let us be therewith content.
8. si donc nous avons la nourriture et le vêtement, cela nous suffira.
8. Fa raha manan-kanina sy fitafiana isika, dia aoka hianina amin’izany.
9. But they that will be rich fall into temptation and a snare, and into many foolish and hurtful lusts, which drown men in destruction and perdition.
9. Mais ceux qui veulent s`enrichir tombent dans la tentation, dans le piège, et dans beaucoup de désirs insensés et pernicieux qui plongent les hommes dans la ruine et la perdition.
9. Ary izay te-ho mpanankarena dia latsaka amin’ny fakampanahy sy ny fandrika ary ny filàna maro tsy misy antony sady mandratra, izay mandetika ny olona ao amin’ny fandringanana sy ny fahaverezana.
10. For the love of money is the root of all evil: which while some coveted after, they have erred from the faith, and pierced themselves through with many sorrows.
10. "Car l`amour de l`argent est une racine de tous les maux; et quelques-uns, en étant possédés, se sont égarés loin de la foi, et se sont jetés eux-mêmes dans bien des tourments."
10. Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, koa ny sasany izay fatra-pitady izany dia efa voavily niala tamin’ny finoana ka nanindrona ny tenany tamin’ny alahelo be.
11. But thou, O man of God, flee these things; and follow after righteousness, godliness, faith, love, patience, meekness.
11. Pour toi, homme de Dieu, fuis ces choses, et recherche la justice, la piété, la foi, la charité, la patience, la douceur.
11. Fa ianao kosa, ry lehilahin’Andriamanitra, mandosira izany zavatra izany, ka miezaha mitady fahamarinana, toe-panahy araka an’Andriamanitra, finoana, fitiavana, faharetana, fahalemem-panahy.
12. Fight the good fight of faith, lay hold on eternal life, whereunto thou art also called, and hast professed a good profession before many witnesses.
12. Combats le bon combat de la foi, saisis la vie éternelle, à laquelle tu as été appelé, et pour laquelle tu as fait une belle confession en présence d`un grand nombre de témoins.
12. "Miadia ny ady tsaran’ny finoana, hazòny ny fiainana mandrakizay; fa ho amin’izany no niantsoana anao koa sy nanaovanao ilay fanekena tsara teo imason’ny vavolombelona maro."
13. I give thee charge in the sight of God, who quickeneth all things, and before Christ Jesus, who before Pontius Pilate witnessed a good confession;
13. Je te recommande, devant Dieu qui donne la vie à toutes choses, et devant Jésus Christ, qui fit une belle confession devant Ponce Pilate, de garder le commandement,
13. Omeko andraikitra ianao eo anatrehan’Andriamanitra, Izay mamelona ny zavatra rehetra, ary eo anatrehan’i Jesosy Kristy, izay nanao ilay fanekena tsara teo anatrehan’i Pontio Pilato,
14. That thou keep this commandment without spot, unrebukeable, until the appearing of our Lord Jesus Christ:
14. et de vivre sans tache, sans reproche, jusqu`à l`apparition de notre Seigneur Jésus Christ,
14. Mba hotehirizinao tsy hanan-tsiny amam-pondro hatramin’ny fisehoan’i Jesosy Kristy Tompontsika izany didy izany.
15. Which in his times he shall shew, who is the blessed and only Potentate, the King of kings, and Lord of lords;
15. que manifestera en son temps le bienheureux et seul souverain, le roi des rois, et le Seigneur des seigneurs,
15. "Ny Andriana finaritra sady tokana, Mpanjakan’ny mpanjaka sady Tompon’ny tompo, no haneho izany amin’ny fotoany;"
16. Who only hath immortality, dwelling in the light which no man can approach unto; whom no man hath seen, nor can see: to whom be honour and power everlasting. Amen.
16. qui seul possède l`immortalité, qui habite une lumière inaccessible, que nul homme n`a vu ni ne peut voir, à qui appartiennent l`honneur et la puissance éternelle. Amen!
16. "Izy ihany no manana ny tsy fahafatesana, mitoetra eo amin’ny mazava tsy azo hatonina, Izay tsy hitan’olona sady tsy hainy jerena; ho Azy anie ny voninahitra sy ny hery mandrakizay. Amena."
17. Charge them that are rich in this world, that they be not highminded, nor trust in uncertain riches, but in the living God, who giveth us richly all things to enjoy;
17. Recommande aux riches du présent siècle de ne pas être orgueilleux, et de ne pas mettre leur espérance dans des richesses incertaines, mais de la mettre en Dieu, qui nous donne avec abondance toutes choses pour que nous en jouissions.
17. Anaro ny mpanankarena amin’izao fiainana ankehitriny izao mba tsy hiavonavona, na hatoky ny harena miovaova, fa hatoky an' Andriamanitra izay manome antsika malalaka ny zavatra rehetra mba hifaliantsika,
18. That they do good, that they be rich in good works, ready to distribute, willing to communicate;
18. Recommande-leur de faire du bien, d`être riches en bonnes oeuvres, d`avoir de la libéralité, de la générosité,
18. Mba hanao soa izy ireo ka hanan-karena amin’ny asa tsara, hazoto manome sy miantra,
19. Laying up in store for themselves a good foundation against the time to come, that they may lay hold on eternal life.
19. et de s`amasser ainsi pour l`avenir un trésor placé sur un fondement solide, afin de saisir la vie véritable.
19. Ka dia hihary fanorenana tsara ho an’ny tenany ho amin’ny andro ho avy, mba hihazonany ny fiainana mandrakizay.
20. O Timothy, keep that which is committed to thy trust, avoiding profane and vain babblings, and oppositions of science falsely so called:
20. O Timothée, garde le dépôt, en évitant les discours vains et profanes,
20. Ry Timoty, tehirizo ilay natolotra anao, ka mialà amin’ny fibedibedena foana sy ny fanoherana avy amin’izay atao hoe fahalalana, kanjo tsy izy,
21. Which some professing have erred concerning the faith. Grace be with thee. Amen.
21. et les disputes de la fausse science dont font profession quelques-uns, qui se sont ainsi détournés de la foi. Que la grâce soit avec vous!
21. Izay neken’ny sasany, ka nania tamin’ny finoana izy. Ho aminao anie ny fahasoavana. Amena. (Ny taratasy voalohany ho an’i Timoty dia nosoratana tany Laodikia ilay tanàna lehibe indrindra any Frygia pakatiana).